Fomba ahazoana vola avy amin'ny surveys na sondage en ligne

Fomba ahazoana vola avy amin'ny surveys na sondage en ligne
Fomba iray mety ahazoana vola eto amin'internet ihany koa ny survey na ny sondage.
Maro amin'izy ireny no manome hatramin'ny $25 - $50 isam-bolana raha tena manome data na information marina ianao.
Miankina tanteraka amin'ny toerana (region geographique) misy anao ihany koa anefa ny  survey. Betsaka kokoa ny filana ho an'ireo firenena betsaka mponina sy ny firenana Eropeanina ary ny Amerikanina. Santionany amin'ny  survey/sondage manome vola no ho zaraiko eto ambany:
Isaky ny mahavita survey dia mahazo Marketpoints ny membre iray, ka miovaova arakaraka ny halavan'ny fotoana lany eo amin'ny survey ny Marketpoints azo. Ohatra 40 Marketpoints = 25 mn.
Ny Marketpoints no avadika ho vola rehefa mahafeno 1100 (= $50) ary amin'ny Paypal no akana ny vola azo. Rehefa manana 1100 Marketpoints izay mitovy lanja amin'ny vola $50 ny membre iray vao afaka maka ny volany (amin'ny fotoana rehetra).
Tombony: maneran-tany ny GlobalTestMarket ka afaka mandray anjara daholo ny olona rehetra (Afrika, Eropa, Asia, Amerika, sns ...) 

2. YouGov
Ny YouGov dia isan'ny survey tsara indrindra amin'ireo izay rehetra efa nandramako. Tsy mandany fotoana ary azon'ny rehetra andraisana anjara ihany koa ny YouGov. Amin'ny ankapobeny dia 5-7 minitra ny halavan'ny sondage iray. 25-70 ny points azo isakin'ny mahavita survey, ary  1 na 2 isan'andro ny survey omeny. Rehefa manana 5000 points ($25) ny membre iray vao afaka misarika ny volany ka Paypal no akana azy.
Safidio ny YouGov mifanandrify amin'ny toerana izay misy anao (jereo ny lisitra eo ambany): 
YouGov Africa

3. Vivatic
Ny vivatic indray dia survey natokana ho an'ireo izay mipetraka any Eropa, indrindra fa any UK (Angletera). Vao misoratra anarana ho membre fotsiny ianao dia efa mahazo bonus  £2.  £20 ny vola farafahakeliny azo alaina ary Paypal no akana azy.
Santionany fotsiny ireo fa mbola betsaka ny survey/sondage izay mety ahazoana vola eto amin'internet, izay miankina tanteraka amin'ny toerana izay ipetrahan'ny tsirairay.

Read More

Fomba ahazoana vola $200 - $400 isam-bolana amin'ny Blog/website

Fomba ahazoana vola $200 - $400 isam-bolana amin'ny Blog/website
Fomba iray azo antsoina hoe loharanom-bola ihany koa ny Blog / website na ny tranon-kala. Tsy voatery hanana traik'efa na fahalalana manokana mikasika ny informatika ny olona iray vao afaka manana Blog / website na  tranon-kala. Ny tenako izay manoratra dia tsy mba manana mari-pahalalana manokana mikasika ny informatika fa mba nentin'ny saina tia mikarokaroka dia mba nahita ny maminy tamin'ny alalan'ny famoronana tranon-kala.
Misy karazany betsaka ny tranon-kala azo foronina (miankina tanteraka amin'ny inspiration'ny mpamorona izany). Ao ireo tranon-kala izay miompana manokana amin'ny resaka fanabeazana, fanoroana lalana (tutorial), fahasalamana, vaovao, citation, dll ... Ao ihany koa ireo tranon-kala izay natokana tanteraka ho an'ny olon-dehibe (Adult content warning). Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: "ahoana no fomba hahazoana vola avy amin'ireny Blog / website na ny tranon-kala ireny?"
1. Mametraka publicité  Ny lalana iray lehibe sady tena mahomby dia ny fametrahana dokam-barotra (publicité) ao amin'ny tranon-kalanao. Ireto sites tanisaiko eto ambany ireto no isany amin'ireo sites izay azo iarahana miasa amin'ny fametrahana an'izany dokam-barotra izany ao amin'ny tranon-kalanao.
Voasokajy ho laharana voalohany ny Google AdSense, orin'asa iray an'ny Google izy ity ary mizara hatrany amin'ny 68%n'ny vidin'ilay dokam-barotra ho an'ireo tranon-kala mpiara miasa aminy. PPC na Pay Per Click no iantsoana ny fiaraha-miasa, izany hoe 68% avy amin'io vidin'ny dokam-barotra io no azon'ny tompon'ny tranon-kala raha toa ka misy mi click ilay dokam-barotra. Amin'ny ankapobeny dia $0,001 - $50 ny vidin'ny dokam-barotra iray ao amin'ny Google AdSense.
Maromaro ireo fepetra takina avy amin'ny tranon-kala iray vao afaka ho lasa mpiara-miasa amin'ny Google AdSense, toy ny: contenu n'ilay website (tsy miara-miasa amin'ny tranon-kala mandefa sary mamoafady, teny miendrika fanavakavaham-bolokoditra, dll ... ny Google AdSense), ny habetsak'ireo mpitsidika ny tranon-kalanao (1000 isan'andro farafahakeliny).
Porofo: (jereo ny sary eto ambany)

Fomba fakana vola avy amin'ny Google AdSense: Western Union, Bank (carte visa).
Vola azo alaina: 70 Euro na $100 farafahakeliny.

Ny RevenueHits indray dia mifanohitra tanteraka amin'ny Google AdSense. Voaray automatique ny tranon-kala rehetra izay misoratra anarana. CPA na ny Cost Per Action no iantsoana ny fiaraha-miasa. Izany hoe mahazo vola ny tranon-kala anankiray izay mametraka dokam-barotra avy amin'ny RevenueHits raha toa ka mi telechargé, mi-abonné (arakarak'izay takian'ilay dokam-barotra) ny mpitsidika. Ireny tranon-kala mpizara lien, logiciel, tranon-kala misy hira, video, fitaovana informatika, jeux ireny no tena mety sy mahomby amin'ity fiaraha-miasa miaraka amin'ny RevenueHits ity. Fadiana ihany koa anefa ny mametraka dokam-barotra avy amin'ny RevenueHits raha toa ka misy sary na sary mihetsika vetaveta ny  Blog / website nao.  Paypal no akana ny vola ary $20 ny vola farafahakeliny azo alaina.
c. PopAds
Ny PopAds indray dia hafa tanteraka amin'ireo voatanisa teo ambony ireo. PPV (Pay Per View) na CPM (Cost Per Mille impression) no iantsoana ny fiaraha-miasa. Izany hoe omena vola ny tompon'ny tranon-kala raha toa ka mijery ny dokam-barotra alefan'ny PopAds ny mpitsidika. Amin'ny ankapobeny dia mahasorena ny mpitsidika ity dokam-barotra avy amin'ny PopAds ity satria tsy mifanaraka amin'ny zavatra tiana ho clickena sy ho jerena ny lien misokatra. Ireny tranon-kala misy sary mamoa fady (pornographique) ireny no tena mampiasa an'ity dokam-barotra avy amin'ny PopAds ity. $5 ny vola farafahakeliny azo alaina, ary afaka alaina amin'ny Paypal sy Payza.
2. Affiliate programs
a. Amazon
b. eBay
Ny Affliate programs indray dia fiaraha-miasa mety ahazoam-bola raha toa ka miompana amin'ny fivarotana zavatra en ligne ny tranon-kalanao. Misoratra anarana ao amin'ny foibe Amazon sy eBay ianao, ary maka produits (logiciel, boky, film, hira, dll...) hamidy ao amin'ny tranon-kalanao. Isakin'ny mahalafo entana ianao dia hahazo pourcentage kely avy amin'izany vidin'entana lafonao izany. Mbola Paypal sy Payza hatrany no akana ireo vola azo avy Amazon sy eBay.
Read More

Fomba ahazoana $300 avy amin'ny AdFly

Fomba ahazoana $300 avy amin'ny AdFly
Ny AdFly dia voasokajy ao anatin'ny tranonkala antsoina hoe Shrink links na URL shortening (fanafohezana lien). Tsotra ny fomba mety ahazoana vola avy amin'ny AdFly, tsy mitady traik'efa na fahalalana manokana momba ny informatika.  
Etape voalohany: Manokatra kaonty na misoratra anarana ao amin'ny tranonkala AdFly.
Etape faharoa: Mitady lien ho afohezina (jereo ny sary eo ambany)
Etape fahatelo: Manaparitaka an'ilay lien vaovao avy tao amin'ny tranonkalan'ny AdFly.
Ohatrinona ary amin'ny fomba ahoana no ahazoana vola avy amin'ny AdFly ? Amin'ny alalan'ny fanaparitahanao (facebook, twitter, commentaires) an'ilay lien vaovao avy noforoninao no ahazoanao vola, ka arakaraka ny habetsakan'ny olona mi clikE an'ilay lien vaovao no vola miditra aminao.
Amin'ny ankapobeny dia $1-$3 no azo avy amin'ny click 1000 (miovaova arakaraka ny firenena iavian'ilay olona mi clik). Lien voalohany < www.vola-internet.info >
Lien vaovao < http://adf.ly/1MUzaE >
Porofo: 
Fanamarihana: Mahomby kokoa ity fitadiavam-bola avy amin'nyAdFly ity ho an'ny olona manana fans betsaka ao amin'ny Page facebook. Amin'ny alalan'ny Paypal sy Payza no akana ireo vola azo avy amin'ny AdFly.
Read More

Mitady vola amin'internet | Toro-hevitra sy Toro-lalana

Mitady vola amin'internet | Toro-hevitra sy Toro-lalana
Miroborobo tokoa ny fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao, ka maro ny zavatra tokony ho hararaotina, isan’izany ny fomba mety hahazoana vola mba hiatrehana ny fiainana. Maro amin’ireo tranon-kala na ny blog eto amin’internet anefa no mamitaka (scam), ka mandany fotoana sy hery fotsiny, kanefa betsaka ihany koa ny azo itokisana sy tena mandoa vola.
Hizara traik’efa sy hanome toro-lalana no tena antom-pisian’ity blog na tranon-kala ity, ka raha tonga eto mitsidika ny pejy ianao, dia hararaoty fa tsy tongatonga ho azy izany. Nosafidina manokana ny teny Malagasy, Frantsay, ary ny Anglisy mba hanamora ny fifandraisana.

Ireo tsara ho fantatra mialoha:
1. Misy vola aloa (droit) ve mba hahazoana mitady vola eto amin’internet?
Maimaim-poana amin’ny ankapobeny ny fitadiavam-bola eto amin’internet, afatr’ ireo tranonkala filokana (options binairesetoropmubet).
2. Inona avy ireo fitaovana ilaina mba ahafahana mitady vola eto amin’internet?
Solosaina (ordinateur) sy internet no fitaovana tena ilaina ho enti-mitady vola eto amin’internet.
3. Ahoana ny fomba akana ireo vola izay efa voaangona avy eto amin’internet?
Ilaina ny manokatra compte bancaire en ligne (PaypalPayza, dll …) na carte visa (BOABNIBFV) raha te haka ireo vola voaangona avy eto amin’internet.
4. Firy taona farafahakeliny vao afaka mitady vola eto amin’internet?
18 taona amin’ny ankapobeny, fa misy kosa ny tranonkala sasany izay mametra ho 13 taona fara fahakeliny.
Fanamarihana: Aza hadino ny mi-abonné eto amin’ny blog mitady vola eto amin’internet mba hahazoanao ireo toro-lalana sy ny tsara rehetra tokony ho fantatra. Aza misalasala ihany koa mametraka fanontaniana eo amin’ny commentaire raha misy ny tsy mazava. Hiezaka ny tenanay hamaly ny fanontanianareo.
Read More

Fomba ahazoana $10 avy amin'ny Application Android WHAFF Reward

Fomba ahazoana $10 avy amin'ny Application Android WHAFF Reward
Fomba iray azo ampiasaina mba hahazoam-bola avy eto amin'internet ny Finday. Betsaka ireo application android izay efa voaporofo fa manefa, iray amin'izany ity manaraka ity:  Whaff Reward. 

1. Midira ao amin'ny Google Play Store raha Android ny Finday ampiasainao ka tadiavo ny Whaff RewardRaha iphone kosa ny finday ampiasainao dia tadiavo ao amin'ny appstore ny hoe Whaff box.

2. Rehefa vita installation ao amin'ny Findainao ny application Whaff Reward, dia tsindrio ilay menu "login facebook" izay ho hitanao avy eo amin'ny lafiny havanana ambony. rehefa vita izay dia asainy miconnect ao amin'ny kaonty facebook nao ianao ka midira toy ny mahazatra. Facebook irery ihany no lalana ahafana miditra ao amin'ny kaonty Whaff Reward


3. Rehefa vita izay dia asainy ianao hampiditra ny kode referral avy amin'izay olona nanasa anao. Raha mbola tsy manana izany ianao dia azonao atao ny mampiditra ny kode referral ko: CB10045

Kode referral Whaff:

Tsy maintsy ampidirina ilay kode referral (CB10045) mba hahazoanao bonus 0.3 dollar. Io no bonus voalohany omen’ny Whaff anao ka raha tsy mampiditra an’io kode referral io ianao dia mazava ho azy fa tsy hahazo bonus 0.3 dollar. Rehefa tafiditra soa aman-tsara ilay kode referral eo ambony dia tsindrio ny Ok.


Fomba fahazoana vola avy amin’ny Whaff Reward:
Betsaka ireo tolotra omen’ny Whaff mba hahazoanao vola, toy izany ny “pick whaff” sy ny “pick premium”.
Amin’ny ankapobeny dia asainy mi telecharge application hafa ianao ka arakaraka ny habetsak’ireo application notelechargenao no vola ho azonao.
Zarainy toy izao matetika ny application omeny anao:
Daily Play: vola homen’ny Whaff anao isakin’ny manokatra an’ilay application nomeny anao teo ambony ianao (farafahakeliny indray mandeha isan’andro) mandritra ny fotoana voafetra (2, 3 – 35 andro).
Daily Play Finish: vola ho azonao rehefa vita avokoa ny mission nasain’ny whaff ataonao avy amin’ilay application nasainy notelechargenao teo ambony. Raha 2, 3 – 35 andro ny mission nangatahan’ny whaff aminao mba hampiasanao an io application io dia tsy maintsy teherizinao ao anatin’ny findainao mandritra ny 2, 3 – 35 andro izany ilay application izay vao tokony ho fafaina.
Daily Reward: vola omen’ny whaff anao raha toa ka nahatoky na tsy nofafainao avy tao anatin’ny findainao ilay application nomeny anao teo ambony.

Manomboka avy 0.01 dollar ka hatramin’ny 1 dollar eo ho eo matetika ny vola omen’ny whaff  raha mi telecharge application iray (arakaraka ny vesatr’ilay application). Izay vola azo avy amin’ireo mission voatanisa teo ambony ireo no ho lasa Saldo whaff ho hitanao ao amin’ny kaontinao. Rehefa mahafeno 10 dollar kosa ny saldo ao amin’ny kaonty whaff nao izay vao ho azo alaina.

Fomba fakana ireo vola azo avy tao amin’ny Whaff Reward:
1. Assurevo aloha fa mahafeno 10 dollar ny saldo ao amin’ny kaonty whaff nao.

2. Sokafy ilay application Whaff Reward ka trindrio ny Payout Request.

3. Safidio izay fomba fakana vola metimety aminao (PayPal,Facebook Gift Card, Google Play Gift Card, itunes, sns ...)
Fomba fakana vola vitsivitsy azo isafidianana:

4. Rehefa vita ny fangatahana fisarihana vola nataonao dia miandrasa 3 – 5 andro (business day) fa tsy maintsy halefany ny volanao.

Raha PayPal ny fomba fakana vola nosafidinao dia misy porofo eo amin’ity sary manaraka ity:


Vola haingana avy amin’ny kode referral:
Mety ho sarontsika amintsika izay monina sy mipetraka eto Madagasikara ny hamita ireo mission angatahan’ny whaff ireo nohon’ny vidin’ny connection internet izay lafo dia lafo tokoa, raha tsy hoe angaha mampiasa wifi an-trano ianao. Na izany aza anefa dia azo atao tsara ny mahazo vola avy amin’ny whaff raha mahazo namana betsaka afaka hampiasa ny kode referral nao ianao.
Isakin’ny mahavoatarika olona 1 ianao (Olona 1 izay nampiditra ny kode referral nao) dia hahazo 0.3 dollar. Raha atao hoe nahavoatarika olona 10 ianao tao anatin’indray andro, dia hahazo 3 dollar. Raha ataontsika hoe olona 33 isan’andro kosa ny voatarikao dia 10 dollar isan’andro ny vola ho azonao.

Izay aloha no azo ambara androany fa dia bonne chance daholo ary e!
Aza adino ny mametraka commentaire raha misy tsy mazava na fanontaniana! Misaotra anao nitsidika teto amin’ity blog ity.
Read More