Fomba ahazoana vola $200 - $400 isam-bolana amin'ny Blog/website

Fomba iray azo antsoina hoe loharanom-bola ihany koa ny Blog / website na ny tranon-kala. Tsy voatery hanana traik'efa na fahalalana manokana mikasika ny informatika ny olona iray vao afaka manana Blog / website na  tranon-kala. Ny tenako izay manoratra dia tsy mba manana mari-pahalalana manokana mikasika ny informatika fa mba nentin'ny saina tia mikarokaroka dia mba nahita ny maminy tamin'ny alalan'ny famoronana tranon-kala.
Misy karazany betsaka ny tranon-kala azo foronina (miankina tanteraka amin'ny inspiration'ny mpamorona izany). Ao ireo tranon-kala izay miompana manokana amin'ny resaka fanabeazana, fanoroana lalana (tutorial), fahasalamana, vaovao, citation, dll ... Ao ihany koa ireo tranon-kala izay natokana tanteraka ho an'ny olon-dehibe (Adult content warning). Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: "ahoana no fomba hahazoana vola avy amin'ireny Blog / website na ny tranon-kala ireny?"
1. Mametraka publicité  Ny lalana iray lehibe sady tena mahomby dia ny fametrahana dokam-barotra (publicité) ao amin'ny tranon-kalanao. Ireto sites tanisaiko eto ambany ireto no isany amin'ireo sites izay azo iarahana miasa amin'ny fametrahana an'izany dokam-barotra izany ao amin'ny tranon-kalanao.
Voasokajy ho laharana voalohany ny Google AdSense, orin'asa iray an'ny Google izy ity ary mizara hatrany amin'ny 68%n'ny vidin'ilay dokam-barotra ho an'ireo tranon-kala mpiara miasa aminy. PPC na Pay Per Click no iantsoana ny fiaraha-miasa, izany hoe 68% avy amin'io vidin'ny dokam-barotra io no azon'ny tompon'ny tranon-kala raha toa ka misy mi click ilay dokam-barotra. Amin'ny ankapobeny dia $0,001 - $50 ny vidin'ny dokam-barotra iray ao amin'ny Google AdSense.
Maromaro ireo fepetra takina avy amin'ny tranon-kala iray vao afaka ho lasa mpiara-miasa amin'ny Google AdSense, toy ny: contenu n'ilay website (tsy miara-miasa amin'ny tranon-kala mandefa sary mamoafady, teny miendrika fanavakavaham-bolokoditra, dll ... ny Google AdSense), ny habetsak'ireo mpitsidika ny tranon-kalanao (1000 isan'andro farafahakeliny).
Porofo: (jereo ny sary eto ambany)

Fomba fakana vola avy amin'ny Google AdSense: Western Union, Bank (carte visa).
Vola azo alaina: 70 Euro na $100 farafahakeliny.

Ny RevenueHits indray dia mifanohitra tanteraka amin'ny Google AdSense. Voaray automatique ny tranon-kala rehetra izay misoratra anarana. CPA na ny Cost Per Action no iantsoana ny fiaraha-miasa. Izany hoe mahazo vola ny tranon-kala anankiray izay mametraka dokam-barotra avy amin'ny RevenueHits raha toa ka mi telechargé, mi-abonné (arakarak'izay takian'ilay dokam-barotra) ny mpitsidika. Ireny tranon-kala mpizara lien, logiciel, tranon-kala misy hira, video, fitaovana informatika, jeux ireny no tena mety sy mahomby amin'ity fiaraha-miasa miaraka amin'ny RevenueHits ity. Fadiana ihany koa anefa ny mametraka dokam-barotra avy amin'ny RevenueHits raha toa ka misy sary na sary mihetsika vetaveta ny  Blog / website nao.  Paypal no akana ny vola ary $20 ny vola farafahakeliny azo alaina.
c. PopAds
Ny PopAds indray dia hafa tanteraka amin'ireo voatanisa teo ambony ireo. PPV (Pay Per View) na CPM (Cost Per Mille impression) no iantsoana ny fiaraha-miasa. Izany hoe omena vola ny tompon'ny tranon-kala raha toa ka mijery ny dokam-barotra alefan'ny PopAds ny mpitsidika. Amin'ny ankapobeny dia mahasorena ny mpitsidika ity dokam-barotra avy amin'ny PopAds ity satria tsy mifanaraka amin'ny zavatra tiana ho clickena sy ho jerena ny lien misokatra. Ireny tranon-kala misy sary mamoa fady (pornographique) ireny no tena mampiasa an'ity dokam-barotra avy amin'ny PopAds ity. $5 ny vola farafahakeliny azo alaina, ary afaka alaina amin'ny Paypal sy Payza.
2. Affiliate programs
a. Amazon
b. eBay
Ny Affliate programs indray dia fiaraha-miasa mety ahazoam-bola raha toa ka miompana amin'ny fivarotana zavatra en ligne ny tranon-kalanao. Misoratra anarana ao amin'ny foibe Amazon sy eBay ianao, ary maka produits (logiciel, boky, film, hira, dll...) hamidy ao amin'ny tranon-kalanao. Isakin'ny mahalafo entana ianao dia hahazo pourcentage kely avy amin'izany vidin'entana lafonao izany. Mbola Paypal sy Payza hatrany no akana ireo vola azo avy Amazon sy eBay.

Author:

Facebook Comment