Miroborobo tokoa ny
fivoaran’ny teknolojia amin’izao fotoana izao, ka maro ny zavatra tokony ho
hararaotina, isan’izany ny fomba mety hahazoana vola mba hiatrehana ny
fiainana. Maro amin’ireo tranon-kala na ny blog eto amin’internet anefa no
mamitaka (scam), ka mandany fotoana sy hery fotsiny, kanefa betsaka ihany koa
ny azo itokisana sy tena mandoa vola.
Hizara traik’efa sy hanome
toro-lalana no tena antom-pisian’ity blog na tranon-kala ity, ka raha tonga eto
mitsidika ny pejy ianao, dia hararaoty fa tsy tongatonga ho azy izany.
Nosafidina manokana ny teny Malagasy, Frantsay, ary ny Anglisy mba hanamora ny
fifandraisana.
Ireo tsara ho fantatra
mialoha:
1. Misy vola aloa (droit) ve
mba hahazoana mitady vola eto amin’internet?
Maimaim-poana amin’ny
ankapobeny ny fitadiavam-bola eto amin’internet, afatr’ ireo tranonkala
filokana (options binaires, etoro, pmu, bet).
2. Inona avy ireo fitaovana
ilaina mba ahafahana mitady vola eto amin’internet?
Solosaina (ordinateur) sy
internet no fitaovana tena ilaina ho enti-mitady vola eto amin’internet.
3. Ahoana ny fomba akana ireo
vola izay efa voaangona avy eto amin’internet?
Ilaina ny manokatra compte
bancaire en ligne (Paypal, Payza,
dll …) na carte visa (BOA, BNI, BFV) raha te haka ireo vola voaangona
avy eto amin’internet.
4. Firy taona farafahakeliny
vao afaka mitady vola eto amin’internet?
18 taona amin’ny ankapobeny,
fa misy kosa ny tranonkala sasany izay mametra ho 13 taona fara fahakeliny.
Fanamarihana: Aza hadino ny mi-abonné eto
amin’ny blog mitady vola eto amin’internet mba
hahazoanao ireo toro-lalana sy ny tsara rehetra tokony ho fantatra. Aza
misalasala ihany koa mametraka fanontaniana eo amin’ny commentaire raha misy ny
tsy mazava. Hiezaka ny tenanay hamaly ny fanontanianareo.
