Fomba ahazoana vola avy amin'ny surveys na sondage en ligne

Fomba iray mety ahazoana vola eto amin'internet ihany koa ny survey na ny sondage.
Maro amin'izy ireny no manome hatramin'ny $25 - $50 isam-bolana raha tena manome data na information marina ianao.
Miankina tanteraka amin'ny toerana (region geographique) misy anao ihany koa anefa ny  survey. Betsaka kokoa ny filana ho an'ireo firenena betsaka mponina sy ny firenana Eropeanina ary ny Amerikanina. Santionany amin'ny  survey/sondage manome vola no ho zaraiko eto ambany:
Isaky ny mahavita survey dia mahazo Marketpoints ny membre iray, ka miovaova arakaraka ny halavan'ny fotoana lany eo amin'ny survey ny Marketpoints azo. Ohatra 40 Marketpoints = 25 mn.
Ny Marketpoints no avadika ho vola rehefa mahafeno 1100 (= $50) ary amin'ny Paypal no akana ny vola azo. Rehefa manana 1100 Marketpoints izay mitovy lanja amin'ny vola $50 ny membre iray vao afaka maka ny volany (amin'ny fotoana rehetra).
Tombony: maneran-tany ny GlobalTestMarket ka afaka mandray anjara daholo ny olona rehetra (Afrika, Eropa, Asia, Amerika, sns ...) 

2. YouGov
Ny YouGov dia isan'ny survey tsara indrindra amin'ireo izay rehetra efa nandramako. Tsy mandany fotoana ary azon'ny rehetra andraisana anjara ihany koa ny YouGov. Amin'ny ankapobeny dia 5-7 minitra ny halavan'ny sondage iray. 25-70 ny points azo isakin'ny mahavita survey, ary  1 na 2 isan'andro ny survey omeny. Rehefa manana 5000 points ($25) ny membre iray vao afaka misarika ny volany ka Paypal no akana azy.
Safidio ny YouGov mifanandrify amin'ny toerana izay misy anao (jereo ny lisitra eo ambany): 
YouGov Africa

3. Vivatic
Ny vivatic indray dia survey natokana ho an'ireo izay mipetraka any Eropa, indrindra fa any UK (Angletera). Vao misoratra anarana ho membre fotsiny ianao dia efa mahazo bonus  £2.  £20 ny vola farafahakeliny azo alaina ary Paypal no akana azy.
Santionany fotsiny ireo fa mbola betsaka ny survey/sondage izay mety ahazoana vola eto amin'internet, izay miankina tanteraka amin'ny toerana izay ipetrahan'ny tsirairay.


Author:

Facebook Comment